Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-4

16 Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe azy izy, dia niditra tao amin'ny sinagoga araka ny fanaony tamin'ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny.

17 Natolotra azy ny bokin'Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: 18 Ato amiko ny Fanahin'ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, 19 hilaza fahafahana amin'ny mpifatotra sy fahiratana amin'ny jamba, hanafaka izay nampahorina ary hitory ny taom-pahasoavan'ny Tompo sy ny andron'ny famaliana. 20 Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin'ny mpitandrina ka nipetraka izy, ary nifàntaka tany aminy avokoa ny mason'izy rehetra tao amin'ny sinagoga. 21 Dia rafitra niteny taminy indray Jesoa nanao hoe: Androany no efa tanteraka eo amin'ny sofinareo izany Soratra izany. 22 Ary nankalaza azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy ireo: Tsy ny zanak'i Josefa va ity? 23 Ary hoy kosa Jesoa taminy: Marina raha tsy ataonareo amiko ilay oha-bolana hoe: Dokotera, sitrano aloha ny tenanao. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaoma mba ataovy eto amin'ny tany nahabe anao koa.

24 Dia notohiziny hoe: Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin'ny tany nahabe azy. 25 Ary lazaiko marina aminareo koa fa maro no mpitondratena tamin'Israely tamin'ny andron'i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan'ny mosary mafy ny tany rehetra, 26 nefa tamin'izy ireo tsy nisy nanirahana an'i Elia na dia anankiray aza, fa tamin'ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà any amin'ny tany Sidòna ihany; 27 ary be koa no boka tao amin'Israely tamin'ny andron'i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa Naamàna Siriana ihany. 28 Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin'ny sinagoga raha nandre izany, 29 ka tafantsangana nandroaka azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra azy tany an-tampon'ny tendrombohitra iorenan'ny tanànany mba hazerany any an-tevana; 30 fa namaky teo afovoan'izy ireo izy dia lasa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1672