Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-4

1 Ary feno ny Fanahy Masina Jesoa, dia niverina avy tany Jordany ka nentin'ny Fanahy tany an'efitra efa-polo andro,

2 sady nalain'ny demony fanahy izy no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany. 3 Dia hoy ny demony taminy: Raha Zanak'ndriamanitra hianao, asaovy tonga mofo io vato io. 4 Fa hoy Jesoa taminy: Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra avy amin'Andriamanitra. 5 Dia nentin'ny demony niakatra tany amin'ny tendrombohitra avo anankiray izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, 6 ary hoy izy taminy: Homeko anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa. 7 Koa izao àry: raha mitsaoka ahy hianao, dia ho anao avokoa izy. 8 Fa izao no navalin' i Jesoa azy: Efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary izy irery ihany no hotompoinao. 9 Dia nentiny tany Jerosalema indray izy, ka napetrany teo an-tampon'ny tempoly, ary nilazany hoe: Raha Zanak'Andriamanitra hianao, mianjerà any ambany any; 10 fa efa voasoratra hoe: Nomeny didy hiambina anao ny anjeliny, 11 ary hitondra anao eo an-tànany izy ireo fandrao tafintohina amin'ny vato ny tongotrao. 12 Fa namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao hianao. 13 Nony tapitra nanao izao fakam-panahy azy rehetra izao ny demony, dia nandao azy aloha mandra-pihavin'ny fotoana indray.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0868