Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-5

1 Ary indray andro raha nijoro teo amoron'ny farihin'i Genezareta izy, dia nifanesika taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra.

2 Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato), 3 dia niditra tamin'ny sambo kely anankiray izay an'i Simona ka nangataka taminy mba hihataka kely amin'ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka. 4 Rahefa nitsahatra niteny izy, dia nanao tamin'i Simona hoe: Mandrosoa eny amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano; 5 fa hoy ny navalin'i Simona azy: Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato. 6 Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy triatra ny haratony. 7 Ary nanàtsika ny namany izay teny amin'ny sambo kely hafa izy ireo mba ho avy hanampy azy; dia tonga ireo, nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo. 8 Nony nahita izany Simona Piera dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesoa ka nanao hoe: Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho; 9 fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy, noho ny habetsahan'ny hazandrano azony; 10 ary toy izany koa Jakoba sy Joany zanak'i Zebede izay iray raharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesoa tamin'i Simona: Aza matahotra, fa hatramin'izao dia hanarato olona hianao. 11 Dia nampiantsona ny sambo kely tamin'ny tany niaraka tamin'izay izy ireo, ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka azy. 12 Raha tao amin'ny tanàna anankiray izy, dia indro nisy lehilahy rakotry ny habokana nahita azy, niankohoka nitaraina taminy nanao hoe: Tompoko, raha mety hianao, mahay manadio ahy.

13 Dia naninjitra ny tànany izy nanendry azy, sy nanao hoe: Mety aho, madiova hianao, ka afaka niaraka tamin'izay ny habokany. 14 Noraran'i Jesoa tsy hilaza izany na amin'iza na amin'iza izy; fa mandehana misehoa amin'ny mpisorona, hoy izy, ary manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin'i Moizy, mba ho vavolombelona amin'ny olona. 15 Fa mainka niely ny lazany, ka nirohotra be dia be ny vahoaka mba hihaino azy sy mba hositraniny amin'ny aretiny; 16 izy kosa nefa amin'izany dia mihataka mankany an'efitra ka mivavaka ao. 17 Indray andro raha nampianatra izy, dia nipetraka manodidina azy teo koa ny Farisiana sy ny mpampiana-dalàna sasany avy tamin'ny tanàna rehetra tany Galilea sy Jodea mbamin'i Jerosalema, ary tao aminy hanasitranany ny marary ny herin'ny Tompo.

18 Dia indro nisy olona nitondra lehilahy malemy anankiray tamin'ny fandriany ka nitady hampiditra sy hametraka azy teo anatrehany; 19 fa tsy nahita izay hampidirany azy izy ireo noho ny habetsahan'ny olona, ka niakatra teo ambonin'ny tafon-trano izy, ary nanesorany ny tafo, dia nampidininy teo afovoan'ny olona teo anatrehan'i Jesoa ralehilahy mbamin'ny fandriany. 20 Nony nahita ny finoan'izy ireo Jesoa, dia nanao hoe: Ralehilahy, voavela ny helokao. 21 Tamin'izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana dia nisaintsaina anakampo nanao hoe: Iza moa ity miteny ratsy toy izao ity? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery? 22 Fa fantatr'i Jesoa ny heviny, ka hoy izy taminy: Nahoana hianareo no mieritreritra ao am-ponareo? 23 Inona no mora holazaina kokoa, ny hoe: Voavela ny helokao, sa ny hoe: Mitsangàna ka mandehana? 24 Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana hamela heloka ety an-tany ny Zanak'olona, dia izao no lazaiko aminao, hoy izy tamin'ilay malemy: mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. 25 Niaraka tamin'izay dia nitsangana teo imason'ny olona izy, ary nitondra ny farafara nandriany, ka lasa nody any an-tranony nankalaza an'Andriamanitra. 26 Nitolagaga avokoa izy rehetra, ka sady nankalaza an'Andriamanitra no raiki-tahotra nanao hoe: Nahita zava-mahagaga isika androany. 27 Taorian'izany, dia nandeha izy ka nahita poblikàna anankiray atao hoe Levì nipetraka teo amim-pamorian-ketra, ary hoy izy taminy: Manaraha ahy.

28 Dia nafoiny ny zavatra rehetra, ka nitsangana nanaraka azy izy. 29 Nanao fanasana lehibe ho azy tao an-tranony Levì, ary nisy poblikàna sy olon-kafa betsaka koa niara-nihinana taminy teo. 30 Nimonjomonjo ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Nahoana no miara-mihinana sy misotro amin'ny poblikàna sy ny mpanota hianareo? 31 Fa novalian'i Jesoa hoe: Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary. 32 Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota hibebaka. 33 Dia hoy indray ry zareo taminy: Nahoana no ny mpianatr'i Joany sy ny an'ny Farisiana mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava, fa ny anao kosa mihinana sy misotro ihany?

34 Ary hoy izy tamin'ireo: Moa hianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon'ny mpampakatra, raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra? 35 Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy, ka amin'izany vao hifady hanina izy ireo. 36 Dia nanao fanoharana taminy indray izy nanao hoe: Tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba notriarina tamin'ny vaovao, fa raha izany, ny vaovao moa triatra, ny tonta koa tsy hifanendrika amin'ny tapa-damba vaovao.

37 Tsy misy manisy divay vaovao amin'ny hoditra tonta koa, fa raha izany dia hotriarin'ny divay vaovao ny siny hoditra ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina; 38 fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao, dia samy haharitra izy roroa. 39 Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy ka hangataka ny vaovao, satria hoy izy hoe: Ny tranainy no tsaratsara kokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1073