Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-5

1 Ary indray andro raha nijoro teo amoron'ny farihin'i Genezareta izy, dia nifanesika taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra.

2 Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato), 3 dia niditra tamin'ny sambo kely anankiray izay an'i Simona ka nangataka taminy mba hihataka kely amin'ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka. 4 Rahefa nitsahatra niteny izy, dia nanao tamin'i Simona hoe: Mandrosoa eny amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano; 5 fa hoy ny navalin'i Simona azy: Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato. 6 Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy triatra ny haratony. 7 Ary nanĂ tsika ny namany izay teny amin'ny sambo kely hafa izy ireo mba ho avy hanampy azy; dia tonga ireo, nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo. 8 Nony nahita izany Simona Piera dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesoa ka nanao hoe: MialĂ  amiko, Tompoko, fa mpanota aho; 9 fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy, noho ny habetsahan'ny hazandrano azony; 10 ary toy izany koa Jakoba sy Joany zanak'i Zebede izay iray raharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesoa tamin'i Simona: Aza matahotra, fa hatramin'izao dia hanarato olona hianao. 11 Dia nampiantsona ny sambo kely tamin'ny tany niaraka tamin'izay izy ireo, ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1156