Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-5

12 Raha tao amin'ny tanàna anankiray izy, dia indro nisy lehilahy rakotry ny habokana nahita azy, niankohoka nitaraina taminy nanao hoe: Tompoko, raha mety hianao, mahay manadio ahy.

13 Dia naninjitra ny tànany izy nanendry azy, sy nanao hoe: Mety aho, madiova hianao, ka afaka niaraka tamin'izay ny habokany. 14 Noraran'i Jesoa tsy hilaza izany na amin'iza na amin'iza izy; fa mandehana misehoa amin'ny mpisorona, hoy izy, ary manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin'i Moizy, mba ho vavolombelona amin'ny olona. 15 Fa mainka niely ny lazany, ka nirohotra be dia be ny vahoaka mba hihaino azy sy mba hositraniny amin'ny aretiny; 16 izy kosa nefa amin'izany dia mihataka mankany an'efitra ka mivavaka ao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1403