Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-5

27 Taorian'izany, dia nandeha izy ka nahita poblikàna anankiray atao hoe Levì nipetraka teo amim-pamorian-ketra, ary hoy izy taminy: Manaraha ahy.

28 Dia nafoiny ny zavatra rehetra, ka nitsangana nanaraka azy izy. 29 Nanao fanasana lehibe ho azy tao an-tranony Levì, ary nisy poblikàna sy olon-kafa betsaka koa niara-nihinana taminy teo. 30 Nimonjomonjo ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Nahoana no miara-mihinana sy misotro amin'ny poblikàna sy ny mpanota hianareo? 31 Fa novalian'i Jesoa hoe: Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary. 32 Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota hibebaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1407