Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-5

33 Dia hoy indray ry zareo taminy: Nahoana no ny mpianatr'i Joany sy ny an'ny Farisiana mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava, fa ny anao kosa mihinana sy misotro ihany?

34 Ary hoy izy tamin'ireo: Moa hianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon'ny mpampakatra, raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra? 35 Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy, ka amin'izany vao hifady hanina izy ireo. 36 Dia nanao fanoharana taminy indray izy nanao hoe: Tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba notriarina tamin'ny vaovao, fa raha izany, ny vaovao moa triatra, ny tonta koa tsy hifanendrika amin'ny tapa-damba vaovao.

37 Tsy misy manisy divay vaovao amin'ny hoditra tonta koa, fa raha izany dia hotriarin'ny divay vaovao ny siny hoditra ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina; 38 fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao, dia samy haharitra izy roroa. 39 Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy ka hangataka ny vaovao, satria hoy izy hoe: Ny tranainy no tsaratsara kokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0978