Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-6

27 Fa izao no lazaiko aminareo izay mihaino ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an'izay mankahala anareo,

28 misaora an'izay manozona anareo ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo. 29 Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na halainy mbamin'ny akanjonao aza. 30 Omeo izay rehetra mangataka aminao, ary raha misy mifaoka ny anananao, dia aza mitaky izany aminy intsony. 31 Izay tianareo hataon'ny olona aminareo, no mba ataovy amin'ny olona koa.

32 Raha izay tia anareo ihany no tianareo, fankasitrahana inona no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa. 33 Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota aza mba manao toraka izany ihany koa. 34 Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany, mba handraisany toraka izany. 35 Fa hianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny: dia ho lehibe ny valisoanareo, ary hianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia ilay tsara fo amin'ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy. 36 Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo hianareo.

37 Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina hianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina hianareo; mamelĂ , dia havela hianareo. 38 Manomeza, dia homena hianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.084