Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-6

39 Ary izao koa no fanoharana nataony tamin'izy ireo: Moa ny jamba mahatari-dàlana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa?

40 Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany. 41 Nahoana no ny sombim-bozaka amin'ny mason'ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin'ny masonao tsy hitanao?

42 Ary ataonao ahoana no filaza amin'ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin'ny masonao, nefa ny sakamandimby ao amin'ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin'ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin'ny mason'ny rahalahinao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0269