Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-6

43 Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara.

44 Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroitsilo. 45 Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin'ny rakitra ratsin'ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan'ny vavany. 46 Ary nahoana hianareo no miantso ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?

47 Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona ahy ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy: 48 tahaka ny olona anankiray manao trano izy, izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin'ny vatolampy, ka nony tondraka ny rano dia nasian'ny riaka mafy izany trano izany, nefa tsy nampihontsina azy akory izany, satria tsara orina tambony vatolampy izy. 49 Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka, dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony eo ambonin'ny tany tsy àry fototra, ka vao nasian'ny riaka, dia nirodana niaraka tamin'izay, ary loza ny faharavan'izany trano izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125