Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-6

12 Ary tamin'izany andro izany, dia lasa tany an-tendrombohitra izy mba hivavaka, ka nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina.

13 Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany izy ka nifidy roa ambin'ny folo lahy tamin'izy ireo, izay nomeny anarana hoe Apostoly: 14 dia Simona izay nataony hoe Piera, sy Andre rahalahiny, Jakoba sy Joany, Filipo sy Bartelemy, 15 Matio sy Tomà, Jakoba zanak'i Alfe, sy Simona izay atao hoe Zeloty, 16 ary Jodà rahalahin'i Jakoba, sy Jodasy Iskariota ilay namadika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1417