Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-6

17 Dia niara-nidina tamin'izy ireo izy ka nankeo amin'ny tany lemaka izay nijanonan'ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin'i Tira sy Sidòna amoron-tsiraka,

18 izay tonga teo mba hihaino azy, sy mba hositraniny amin'ny aretiny: dia nositraniny izay nampijalin'ny fanahy maloto, 19 ary nitady hanendry azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra. 20 Tamin'izay, dia niatrana nijery an'ireo mpianany izy, ka nanao hoe: Sambatra hianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan'ny lanitra.

21 Sambatra hianareo noana ankehitriny, fa ho voky hianareo. Sambatra hianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly hianareo. 22 Ho sambatra hianareo raha hankahalain'ny olona, horoahiny amin'ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona. 23 Mifalia hianareo amin'izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany. 24 Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo hianareo.

25 Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana hianareo. Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo hianareo. 26 Loza ho anareo raha hataon'ny olona tsara laza hianareo, fa tahaka izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany sandoka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0772