Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-6

36 Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo hianareo.

37 Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina hianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina hianareo; mamelĂ , dia havela hianareo. 38 Manomeza, dia homena hianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1188