Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 6, 39-42,

       <39Ary izao koa no fanoharana nataony tamin'izy ireo: Moa ny jamba mahatari-dàlana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa? 40Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany.
       41Nahoana no ny sombim-bozaka amin'ny mason'ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin'ny masonao tsy hitanao? 42Ary ataonao ahoana no filaza amin'ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin'ny masonao, nefa ny sakamandimby ao amin'ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin'ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin'ny mason'ny rahalahinao. >