Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-7

1 Rahefa tapitra nampandre ny vahoaka izany toriteniny rehetra izany Jesoa, dia niditra tao Kafarnaoma.

2 Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty. 3 Nony nahare ny amin'i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jody ho any aminy mba hangataka azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny. 4 Ary rahefa tonga tany amin'i Jesoa izy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Mendrika hanaovanao izany izy, 5 fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagogantsika aza. 6 Dia niara-nandeha tamin'izy ireo Jesoa. Fa nony mby teo akaikin'ny trano izy, dia nampaniraka ny sasantsasany tamin'ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe: Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko akory aho; 7 ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona anao akory, fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko 8 Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa, ka ny anankiray ilazako hoe: Mandehana, dia mandeha; ny anankiray ataoko hoe: Avia, dia avy; ary ny mpanompoko koa hoe: Ataovy izany, dia manao izy. 9 Gaga Jesoa nony nandre izany, ka nitodika ny vahoaka nanaraka azy nanao hoe: Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany aho, na dia tamin'Israely aza. 10 Ary nony tafaverina tao an-tranon'ilay kapiteny ireo iraka, dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2219