Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-7

31 Ary hoy ny Tompo: Hohariko amin'iza re ny olona amin'ity taranaka ity, ary tahaka an'iza izy?

32 Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy hianareo; nanao hira izahay mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany hianareo. 33 Fa tonga Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay, lazainareo hoe: Azon'ny demony izy. 34 Tonga indray ny Zanak'olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan'ny poblikàna sy ny olon-dratsy fiaina. 35 Fa ny Fahendrena efa nohamarinin'ny zanany rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0568