Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-7

36 Nisy Farisiana anankiray nanasa an'i Jesoa hiara-hihinana aminy, ka niditra tao an-tranon'ilay Farisiana izy, dia nipetraka nihinana.

37 Ary indro nisy vehivavy anankiray ratsy fitondran-tena tao an-tanĂ na nahalala fa nihinana tao an-tranon'ilay Farisiana Jesoa, ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, 38 dia nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony sady nitomany ka kotsan'ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin'ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra. 39 Nony nahita izany ilay Farisiana nanasa azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany izy dia ho nahalala ny toetran'ity vehivavy mikasika azy, fa hoe mpanota io. 40 Ary Jesoa niteny taminy nanao hoe: Ry Simona, misy zavatra holazaiko aminao. Dia hoy izy: Lazao, ry Mpampianatra. 41 Nisy olona roa lahy nananan'ny mpampanjana-bola anankiray trosa, ny iray nananany denie diman-jato, ary ny iray dimam-polo.

42 Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa, dia nafoiny ny trosa tamin'izy roa lahy. Koa iza amin'ireo no ho tia azy kokoa? 43 Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa, hoy Simona namaly azy. Marina ny anao, hoy izy taminy. 44 Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao aho, fa hianao tsy nanome rano hanasako tongotra, izy kosa nanondraka ny tongotro tamin'ny ranomasony sy namaoka azy tamin'ny volon-dohany. 45 Hianao tsy nanoroka ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako. 46 Hianao tsy nanosotra diloilo ny lohako, izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro. 47 Noho izany dia lazaiko aminao fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy; fa izay amelana kely no kely fitiavana. 48 Dia hoy izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao. 49 Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe: Iza moa ity no mamela heloka? 50 Fa hoy izy tamin-dravehivavy: Ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0253