Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-7

11 Taorian'izany, dia nankany amin'ny tanàna anankiray atao hoe Naima izy, ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy.

12 Rahefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna izy, dia indro nisy fatin'ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak'olona lahy tokana sady mpitondratena indray reniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy. 13 Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: Aza mitomany. 14 Ary nanatona izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy Jesoa: Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna. 15 Dia niarina niaraka tamin'izay ny maty, sady niteny, ary nomen'i Jesoa an-dreniny. 16 Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony. 17 Dia niely eran'i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana azy izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2541