Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-7

18 Nambaran'ny mpianatr'i Joany taminy izany rehetra izany,

19 ka dia niantso roa lahy tamin'izy ireo izy nalefany ho any amin'i Jesoa hanao aminy hoe: Hianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no handrasantsika? 20 Nony tonga tany aminy ireo dia nanao hoe: Nirahin'i Joany Batista hankaty aminao izahay hanontany raha hianao no ilay ho avy, na mbola hafa no handrasantsika? 21 Tamin'izay indrindra Jesoa dia nanasitrana olona maro niferinaina tamin'ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra jamba maro koa, 22 ka izao no navaliny an'ireto iraka: Mandehana lazao amin'i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty, torìna amin'ny mahantra ny Evanjely, 23 ary sambatra izay rehetra tsy tafintohina noho ny amiko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1438