Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-7

24 Nony lasa ny irak'i Joany, dia nambaran'i Jesoa tamin'ny vahoaka ny aminy ka hoy izy: Hizaha inona no nalehanareo tany an'efitra? Volotara hozongozonin'ny rivotra va?

25 Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana, dia any an-tranon'ny mpanjaka no itoerany. 26 Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza. 27 Fa izy no ilay voasoratra hoe: Indro aho maniraka ny anjeliko eo anoloanao mba hamboatra làlana eo alohanao. 28 Koa lazaiko aminareo fa amin'izay natera-behivavy tsy misy mpaminany lehibe noho Joany Batista; nefa izay kely indrindra amin'ny fanjakan'Andriamanitra no lehibe noho izy. 29 Ary ny vahoaka rehetra izay nandre azy mbamin'ny poblikàna aza dia nanamarina an'Andriamanitra, tamin'ny nandraisany ny batemin'i Joany; 30 fa ny Farisiana sy ny mpampiana-dalàna kosa nanatsinontsinona ny fikasan'Andriamanitra ny aminy, tamin'ny nandavany ny batemin'i Joany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0487