Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-8

1 Taorian'izany, dia lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra izy nampianatra sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra. Nanaraka azy ny roa ambin'ny folo lahy

2 sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Madelena izay nivoahana demony fito, 3 Joana vadin'i Kozà mpitandrina ny fananan'i Heroda, ary Sozàna mbamin'ny maro hafa koa izay nanampy azy tamin'ny fananany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0494