Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-8

4 Ary nisy vahoaka betsaka tafavory tao avy tamin'ny tanàna maro hanatona azy, dia nanao fanoharana izy hoe: 5 Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka tany amoron-dàlana ka sady voahitsakitsaka no notsindrohin'ny voro-manidina; 6 ny sasany latsaka tamin'ny vato ka nalaky nitsimoka, nefa nalazo satria tsy nisy mando; 7 ny sasany latsaka tamin'ny tsilo ka niara-naniry tamin'ny tsilo, dia voagejany; 8 ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara ka naniry, dia namoa injato heny. Rahefa nilaza izany izy dia niantso hoe: Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana. 9 Nanontanian'ny mpianany azy izay hevitr'izany fanoharana izany,

10 ka izao no navaliny azy: Hianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin'ny fanjakan'Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra. 11 Ka izao àry no hevitr'izany fanoharana izany: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra. 12 Ireo teny an-dàlambe no izay nandre, fa avy ny demony ka manesotra ny teny ao am-pony, sao mino izy ka ho voavonjy. 13 Ireo latsaka tamin'ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin'ny finoana, fa miala nony mby amin'ny andron'ny fakam-panahy. 14 Ireo latsaka tamin'ny tsilo no izay nandre, fa nony mandeha izy dia poritin'ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa. 15 Fa ireo latsaka amin'ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin'ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1536