Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 9, 1-6
Ny nanirahan'i Jesoa ny Apostoly - Ny fisalasalan'i Heroda - Ny nampitomboan'i Jesoa ny mofo dimy - Ny nieken'i Piera an'i Jesoa ho Kristy - Ny niovan'i Jesoa tarehy - Ny Samaritana tsy nandray an'i Jesoa.

       1Ary namory ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy Jesoa ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina. 2Ary naniraka azy hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hanasitrana ny marary. 3Dia hoy izy taminy: Aza mitondra na inona na inona any amin'izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa. 4Ary na aiza na aiza trano hidiranareo, dia itoero mandra-pialanareo amin'izany tanàna izany. 5Ary raha misy mandà tsy handray anareo, dia mialà amin'izany tanàna izany, ka na ny vovoka amin'ny tongotrareo aza dia ahintsano mba ho fiampangana azy ireo. 6Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra, ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza. >