Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-9

1 Ary namory ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy Jesoa ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina.

2 Ary naniraka azy hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hanasitrana ny marary. 3 Dia hoy izy taminy: Aza mitondra na inona na inona any amin'izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa. 4 Ary na aiza na aiza trano hidiranareo, dia itoero mandra-pialanareo amin'izany tanàna izany. 5 Ary raha misy mandà tsy handray anareo, dia mialà amin'izany tanàna izany, ka na ny vovoka amin'ny tongotrareo aza dia ahintsano mba ho fiampangana azy ireo. 6 Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra, ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0972