Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-9

51 Ary nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana azy, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema izy,

52 ka nandefa iraka nialoha azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin'ny tanàna anankiray tany amin'ny Samaritana, mba hanomana ny fandraisana azy; 53 fa tsy nisy nandray azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny azy. 54 Nony nahita izany Jakoba sy Joany mpianany dia nanao hoe: Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan'ny afo avy any an-danitra izy handevona azy? 55 Fa nitodika izy ka nananatra azy mafy hoe: Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo. 56 Ny Zanak'olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy. Dia nankany amin'ny vohitra hafa izy ireo. 57 Raha mbola teny an-dàlana izy ireo, dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: Hanaraka anao aho, na aiza na aiza halehanao.

58 Fa hoy Jesoa taminy: Ny amboadia manan-davaka, ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany. 59 Ary hoy izy tamin'ny anankiray hafa: Manaraha ahy. Dia izao no navalin'io: Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho. 60 Fa hoy Jesoa taminy : Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy, fa hianao kosa mandehana mitory ny fanjakan'Andriamanitra. 61 Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe: Hanaraka anao aho, Tompoko, fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho. 62 Fa hoy Jesoa taminy: Rahefa mety ho mpitana angadin'omby miherika, dia tsy sahaza ny fanjakan'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144