Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-9

57 Raha mbola teny an-dàlana izy ireo, dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: Hanaraka anao aho, na aiza na aiza halehanao.

58 Fa hoy Jesoa taminy: Ny amboadia manan-davaka, ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany. 59 Ary hoy izy tamin'ny anankiray hafa: Manaraha ahy. Dia izao no navalin'io: Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho. 60 Fa hoy Jesoa taminy : Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy, fa hianao kosa mandehana mitory ny fanjakan'Andriamanitra. 61 Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe: Hanaraka anao aho, Tompoko, fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho. 62 Fa hoy Jesoa taminy: Rahefa mety ho mpitana angadin'omby miherika, dia tsy sahaza ny fanjakan'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118