Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko faha-9
7 Ary Heroda tetrarka nandre izay rehetra nataon'i Jesoa ka tsy hitany be ihany izay hevitra, fa ny sasany nanao hoe:8 Joany no nitsangana tamin'ny maty; ny sasany nilaza hoe: Elia no niseho; ary ny sasany nanao hoe: Ny anankiray tamin'ny mpaminany taloha no efa nitsangana tamin'ny maty. 9 Dia hoy kosa Heroda: Raha ny amin'i Joany, dia efa nasaiko notapahin-doha izy, ka iza indray àry izao olona reko manao zava-dehibe izao? Dia naniry hahita azy izy.