Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-9

1 Ary namory ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy Jesoa ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina.

2 Ary naniraka azy hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hanasitrana ny marary. 3 Dia hoy izy taminy: Aza mitondra na inona na inona any amin'izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa. 4 Ary na aiza na aiza trano hidiranareo, dia itoero mandra-pialanareo amin'izany tanàna izany. 5 Ary raha misy mandà tsy handray anareo, dia mialà amin'izany tanàna izany, ka na ny vovoka amin'ny tongotrareo aza dia ahintsano mba ho fiampangana azy ireo. 6 Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra, ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza. 7 Ary Heroda tetrarka nandre izay rehetra nataon'i Jesoa ka tsy hitany be ihany izay hevitra, fa ny sasany nanao hoe:

8 Joany no nitsangana tamin'ny maty; ny sasany nilaza hoe: Elia no niseho; ary ny sasany nanao hoe: Ny anankiray tamin'ny mpaminany taloha no efa nitsangana tamin'ny maty. 9 Dia hoy kosa Heroda: Raha ny amin'i Joany, dia efa nasaiko notapahin-doha izy, ka iza indray àry izao olona reko manao zava-dehibe izao? Dia naniry hahita azy izy. 10 Ary rahefa niverina ny Apostoly ka nilaza tamin'i Jesoa ny nataony rehetra, dia nentiny hitokana tany amin'ny tany mangingina akaikin'i Betsaida izy ireo.

11 Nony nahare izany ny vahoaka dia nanaraka azy. Noraisin'i Jesoa tsara izy ireo, notorotoroany ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra, sady nositraniny ny marary. 12 Efa ho hariva ny andro ka nanatona ny roa ambin'ny folo lahy nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin'ny vohitra sy ny saha manodidina, fa atý an'efitra isika izao. 13 Fa hoy izy taminy: Omeonareo hanina izy. Dia namaly ireo nanao hoe: Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay mba hisy ho hanin'ireo vahoaka ireo. 14 Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Dia hoy izy tamin'ny mpianany: Asaovy mipetraka mitsitokotoko dimam-polo avy ny olona. 15 Dia nataony izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo. 16 Tamin'izay noraisin'i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nitsodrano azy, ary novakiny sy nozarainy tamin'ny mpianany, mba harosony eny anoloan'ny vahoaka. 17 Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin'ny folo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1134