Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-9

11 Nony nahare izany ny vahoaka dia nanaraka azy. Noraisin'i Jesoa tsara izy ireo, notorotoroany ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra, sady nositraniny ny marary. 12 Efa ho hariva ny andro ka nanatona ny roa ambin'ny folo lahy nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin'ny vohitra sy ny saha manodidina, fa atý an'efitra isika izao. 13 Fa hoy izy taminy: Omeonareo hanina izy. Dia namaly ireo nanao hoe: Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay mba hisy ho hanin'ireo vahoaka ireo. 14 Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Dia hoy izy tamin'ny mpianany: Asaovy mipetraka mitsitokotoko dimam-polo avy ny olona. 15 Dia nataony izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo. 16 Tamin'izay noraisin'i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nitsodrano azy, ary novakiny sy nozarainy tamin'ny mpianany, mba harosony eny anoloan'ny vahoaka. 17 Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin'ny folo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0988