Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-9

18 Indray andro, raha nivavaka tany amin'ny toerana mangingina izy ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo izy nanao hoe: Ataon'ny vahoaka ho iza moa aho?

19 Ary namaly ireo ka nanao hoe: Ny sasany manao hoe Joany Batista, ny sasany milaza hoe Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin'ny mpaminany taloha no nitsangana tamin'ny maty. 20 Fa hianareo kosa, hoy izy, mba manao ahy ho iza? Dia namaly Piera ka nanao hoe: Ny Kristin'Andriamanitra. 21 Nefa norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany amin'olona, 22 sady nampiany hoe: Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak'olona, ka harian'ny loholona sy ny lehiben'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo. 23 Ary hoy koa izy tamin'ny olona rehetra: Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany isan'andro ka hanaraka ahy.

24 Izay ta-hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1569