Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-9

28 Rahefa tokony ho havaloana taorian'ny nilazany an'izany, dia nitondra an'i Piera sy Jakoba ary Joany izy ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka.

29 Raha mbola nivavaka izy, dia niova toetra ny tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany. 30 Ary indro nisy roa lahy niresaka taminy, dia Moizy sy Elia, 31 izay niseho tamim-boninahitra sy nilaza ny hahalasanany izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema. 32 Navesatry ny tory ny mason'i Piera sy ny namany, nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesoa mbamin'izy roalahy teo aminy. 33 Ary tamin'izy roa lahy nihataka, dia hoy Piera tamin'i Jesoa: Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra atý, ka andeha hanangana lay telo eto, ny iray ho anao, ny iray ho an'i Moizy, ary ny iray ho an'i Elia; tsy fantany anefa izay nolazainy. 34 Raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona nanarona azy ireo, ka natahotra izy telolahy tamin'ny nidirany tao anatin'ny rahona. 35 Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, henoy izy. 36 Ilay niteny iny ny feo, dia Jesoa irery ihany no hita. Ary nangina ireo mpianany ka tsy nilazalaza na tamin'iza na tamin'iza tamin'izany andro izany izay zavatra hitany teo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1142