Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-9

46 Ary nisy hevitra tonga tao an-tsain'ireo, dia ny amin'izay lehibe aminy.

47 Fantatr'i Jesoa ny hevitra tao am-pony, ka naka zaza kely anankiray izy napetrany teo anilany, 48 dia hoy izy tamin'izy ireo: Na iza na iza mandray itony zazakely itony amin'ny anarako dia mandray ahy, ary na zovy na zovy mandray ahy dia mandray ilay naniraka ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe. 49 Dia niteny Joany nanao hoe: Ry Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay, satria tsy namantsika izy; 50 fa hoy Jesoa taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171