Boky Voalohan'ny Makabeo
Toko faha-4
36 Ary hoy kosa Jodasa sy ireo rahalahiny: Efa resy ity ny fahavalontsika, ka ndeha amin'izao hiakatra hanadio ny tempoly sy hitokana azy indray.37 Dia nivory ny tafika manontolo, ka niakatra ho any an-tendrombohitra Siona. 52 dia nifoha maraina koa izy, tamin'ny andro fahadimy amby roapolon'ny volana fahasivy, izay volana atao hoe Kasleo, tamin'ny taona fahavalo amby efapolo amby zato, 53 ka nanatitra sorona, araka ny lalàna, teo ambonin'ny otelin-tsorona dorana vaovao izay narafiny. 54 Tamin'ny volana sy ny andro nandotoan'ny firenena ny otely indrindra no nanamasinana azy indray, tamin'ny hiran'ny salamo, sy tamin'ny feon'ny harpa aman-dokanga sy kipantsona. 55 Indray nihohoka ny vahoaka, dia nitsaoka ary niandrandra ny lanitra, nisaotra an'ilay nanambina azy. 56 Naharitra valo andro no nanaovany ny fitokanana ny otely, ary an-kafaliana no nanaterany ny sorona dorana sy ny sorom-pisaorana amam-piderana. 57 Noravahany fehiloha aman'ampinga be renty ny anoloan'ny tempoly, namboariny koa ny fidirana amin'ny tempoly sy ny efitrano sady nasiany varavarana. 58 Nisy fifaliana lehibe indrindra teo amin'ny vahoaka, ka afaka ny fahafaham-baraka nafitsoky ny firenena. 59 Ary Jodasa nifanara-kevitra tamin'ireo rahalahiny mbamin'ny fiangonan'Israely rehetra, dia nandidy ny hankalazana ireo andro nitokanana ny otely, amim-pifaliana sy firavoravoana mandritra ny havaloana isan-taona, miantomboka amin'ny fahadimy amby roapolon'ny volana Kasleo.