Boky Faharoan'ny Makabeo
Makabeo II toko 7. 1-2,9-14
Ny namonoana azy fito mirahalahy sy ny reniny noho ny firaiketam-pony tamin'ny lalana.
1 Nisy koa olona fito mirahalahy, nosamborina miaraka amin-dreniny; ary notadiavin'ny mpanjaka hoterena hihinan-kenan-kisoa, noraran'ny lalàna, izy ireo, ka nokapohina natao hoto tamin'ny kotopia aman-kozatr'omby. 2 Niteny tamin'ny anaran'izy rehetra ny iray taminy nanao hoe: Inona no tadiavinareo ary inona no tianareo ho fantatra avy aminay? Vonon-ko faty izahay, toy izay hamadika ny lalan'ny razanay. 9 Hoy izy nony efa ho tapitra ny ainy: Hianao tsy misoro-doza izao manala anay amin'ny fiainana ankehitriny; fa ilay mpanjakan'izao tontolo izao kosa, hanangana anay ho amin'ny fiainana mandrakizay; fa maty noho ny tsy fivadihana amin'ny làlany izahay.
10 Nanarakaraka io, nampijalina indray ny fahatelo. Vao nasain'ny mpamono nataony, dia natrangany niaraka tamin'izay ny lelany, nahinjiny tsy aman-tahotra ny tànany, 11 ary nolazainy an-kerim-po mahate-hidera izao: Ny Lanitra no nahazoako ireto rantsam-batako ireto; noho ny lalàny anefa tsy ataoko ho zavatra ireto: ary avy aminy no antenaiko hahazoana an'ireto indray, indray andro any. 12 Na ny tenan'ny mpanjaka, na ireo nanotrona azy, dia samy gaga avokoa tamin'ny herim-pon'io tovolahy io, fa tsy nahoany akory izay fijaliana.
13 Maty io, dia fijaliana torak'ireo ihany koa no nahatra amin'ny fahefatra. 14 Hoy izy, nony efa hiala aina: Sambatra izay matin'ny tànan'olombelona manam-panantenana avy amin'Andriamanitra, fa hatsangany amin'ny maty! Fa raha hianao kosa, dia tsy mba ho amin'ny fiainana ny fitsangananao amin'ny maty.