Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko faha-7

1 Nisy koa olona fito mirahalahy, nosamborina miaraka amin-dreniny; ary notadiavin'ny mpanjaka hoterena hihinan-kenan-kisoa, noraran'ny lalàna, izy ireo, ka nokapohina natao hoto tamin'ny kotopia aman-kozatr'omby.

2 Niteny tamin'ny anaran'izy rehetra ny iray taminy nanao hoe: Inona no tadiavinareo ary inona no tianareo ho fantatra avy aminay? Vonon-ko faty izahay, toy izay hamadika ny lalan'ny razanay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0403