Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko faha-12

43 Rahefa izany, nampanao vokatra izy, ka nahavory drakma roa arivo nampanateriny hanaovana sorona fanonerana any Jerosalema. Asa soa sy mendrika, avy amin'ny fiheverana ny fitsanganana amin'ny maty, izany. 44 Satria, raha tsy mino izy fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty, ny miaramila maty an'ady, dia zava-poana sy tsy misy antony ny mivavaka ho an'ny maty. 45 Noheveriny koa fa valisoa tsara indrindra no voatahiry ho an'izay mody mandry amim-pitiavam-bavaka, ka hevitra masina ombam-pitiavam-bavaka izany. Izany no nanaovany an'izany sorona fanonerana izany ho an'ny maty, mba ho afaka amin'ny fahotany izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226