Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko faha-15

11 Rahefa voahenjany tsirairay avy izy, tsy tamin'ny toky avy amin'ny ampinga aman-defona ihany fa tamin'ny toky avy amin'ny teny soa indrindra, dia notantarainy taminy koa ity nofy mendrika hinoana, sy tena fahitana masina ity, izay nahafaly azy rehetra. 12 Izao no hitany: Oniasa mpisorona lehibe ilay lehilahy mpanao soa mora hatonina, malemy fanahy, kanto raha handaha-teny, nikely aina hatramin'ny fahazazany amin'ny fanarahana ny hatsaram-panahy rehetra; naninji-tànana nivavaka ho an'ny firenena Jody manontolo, no nahitany azy. 13 Nanaraka izany, niseho taminy torak'izany koa, izany lehilahy anankiray be fahamendrehana noho ny hamaroan'ny taonany, sy ny tarehiny mahate-hanaja; mahatalanjona ny fijery azy, ary voahodidina fiandrianana mahamena-maso indrindra izy. 14 Oniasa no niteny ka nanao taminy hoe: Ity no Jeremia, mpaminanin'Andriamanitra, sakaizan'ny rahalahiny, mazoto mivavaka ho an'ny firenena sy ny tànana masina. 15 Rahefa izany, naninjitra ny tànany havanana Jeremia, nanolotra sabatra volamena an'i Jodasa ka hoy izy teo am-panolorana izany: 16 Raiso ity sabatra masina ity, famonjen'Andriamanitra ity, ary amin'ity no hanorotoroanao ny fahavalonao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0618