Bokin'i Malakia

Toko faha-3

1 Indro aho, haniraka ny irako; ka izy no hanamboatra ny làlana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay anjelin'ny fanekena irinareo. Indro avy izy, hoy Iavehn'ny tafika.

2 Iza no hahatanty ny andro hihaviany, ary zovy no hahajoro, raha miseho izy? Fa ho tahaka ny afon'ny mpandrendrika izy sy ho sahala amin'ny potasin'ny mpanery lopòtra. 3 Hipetraka mandrendrika sy manadio ny volafotsy izy; hanadio ny taranak'i Levì izy, ka hanadio azy toy ny volamena sy ny volafotsy, ka dia ho mpanompo izy ho an'ny Tompo, hanolotra fanatitra ara-drariny aminy; 4 ary hankasitrahan'ny Tompo toy ny tamin'ny andro taloha, toy ny tamin'ny taona fahiny, ny fanatitr'i Jodà sy Jerosalema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.201