Bokin'i Malakia
Toko faha-3
19 Fa, indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy. Ny mpiavonavona rehetra, sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho mololo, ary ny andro izay ho avy no handoro azy, hoy Iavehn'ny tafika, ka tsy hasiany miangana na ny fakany na ny rantsany.20 Fa hianareo kosa izay matahotra ny anarako, dia hiposahan'ny masoandron'ny fahamarinana, ka ho ao amin'ny tana-masoandrony ny fanasitranana; ka hivoaka hianareo, sady hifalihavanja, toy ny zanak'omby ao am-bala.