Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko voalohany

1 Fiandohan'ny Evanjelin'i Jesoa-Kristy, Zanak'Andriamanitra.

2 Araka izay voasoratra ao amin'Izaia mpaminany hoe: Indro aho maniraka ny anjeliko eo alohanao, izay hamboatra ny làlanao; 3 injay misy feo miantso any an-efitra hoe: Amboary ny làlan'ny Tompo, ahitsio ny alehany, 4 dia niseho tany an'efitra Joany Batista nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka. 5 Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, ka nataony batemy tamin'ny onin'i Jordany ireo, rahefa niaiky ny fahotany. 6 Volon-drameva no nitafian'i Joany, fehinkibo hoditra no nanodidina ny valahany, ary valala sy tantely remby no fihinany; ary izao no notoriny: 7 Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany akory aho. 8 Izaho nanao batemy anareo tamin'ny rano, fa izy kosa hanao batemy anareo amin'ny Fanahy Masina. 9 Ary tamin'izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanànan'i Galilea Jesoa, ka nataon'i Joany batemy tao Jordany.

10 Raha vao niala avy tao anaty rano izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala, nankeo amboniny; 11 ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, hianao no ankasitrahako. 12 Dia nentin'ny Fanahy ho any an'efitra niaraka tamin'izay izy, 13 ka nitoetra tany efa-polo andro dia nalain'i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin'ny bibidia, ary ny anjely nanompo azy. 14 Ary rahefa natao an-tranomaizina Joany, dia nankany Galilea Jesoa nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra

15 ka nanao hoe: Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha hianareo ary minoa ny Evanjely. 16 Nony nandalo teny amoron'ny ranomasin'i Galilea izy, dia nahita an'i Simona sy Andre rahalahiny nanarato teo amin'ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. 17 Ary hoy Jesoa taminy: Andeha hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo. 18 Dia nandao ny haratony niaraka tamin'izay izy, ka nanaraka azy. 19 Nony nandeha kelikely izy, dia nahita an'i Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahiny, izay teo an-tsambo kely koa nanamboatra ny haratony. 20 Dia niantso azy niaraka tamin'izay izy, ka nilaozan'izy mirahalahy teo an-tsambo keliny Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an'i Jesoa izy. 21 Ary nankany Kafarnaoma izy ireo, ka ny sabata voalohany ihany dia niditra tao amin'ny sinagoga izy sy nampianatra ny olona.

22 Dia gaga izy ireo tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. 23 Ary tao amin'ny sinagogany dia nisy lehilahy anankiray azon'ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy 24 nanao hoe: Mifampaninona izahay sy hianao ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va hianao? Fantatro raha hianao, dia ilay masin'Andriamanitra. 25 Fa nandrahona azy Jesoa nanao hoe: Mangina, ary mivoaha amin'io lehilahy io. 26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin'ny feo mahery ka nivoaka taminy. 27 Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe: Inona ity? Fampianarana vaovao inona re ity? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky azy. 28 Dia niely eran'i Galilea rehetra ny lazany. 29 Raha vao nivoaka avy tao amin'ny sinagoga izy ireo, dia nankany an-tranon'i Simona sy Andre izy sy Jakoba ary Joany.

30 Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin'izy ireo taminy niaraka tamin'izay. 31 Dia nanatona nandray ny tànany Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nanompo azy izy. 32 Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon'ny demony, 33 ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa. 34 Dia nanasitrana olona maro nararin'ny aretina samihafa izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra azy. 35 Nony ampitso nifoha maraina alina koa izy, dia nivoaka nankany amin'ny tany mangingina, ka nivavaka tany.

36 Dia lasa nitady azy Simona sy ny namany, 37 ka nony nahita azy dia nilaza taminy hoe: Tadiavin'ny olona rehetra hianao. 38 Fa izao no navaliny: Andeha isika hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako. 39 Dia lasa izy nitory tamin'ny sinagogan'ny olona sy eran'i Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony. 40 Ary nisy boka anankiray nanatona azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: Raha mety hianao dia mahay manadio ahy.

41 Nangoraka azy Jesoa ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: Mety aho, madiova hianao. 42 Vantany vao niteny izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy. 43 Dia nampandeha azy niaraka tamin'izay Jesoa sady namepetra azy mafy 44 nanao hoe: Tandremo, aza milaza izany na amin'iza na amin'iza hianao, fa mandehana misehoa amin'ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian'i Moizy, mba ho vavolombelona amin'ny vahoaka. 45 Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, any ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin'ny tany mangingina izy, ary nohatonin'ny olona avy eny tontolo eny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0406