Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko voalohany

7 Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany akory aho. 8 Izaho nanao batemy anareo tamin'ny rano, fa izy kosa hanao batemy anareo amin'ny Fanahy Masina. 9 Ary tamin'izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanĂ nan'i Galilea Jesoa, ka nataon'i Joany batemy tao Jordany.

10 Raha vao niala avy tao anaty rano izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala, nankeo amboniny; 11 ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, hianao no ankasitrahako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0715