Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko voalohany

1 Fiandohan'ny Evanjelin'i Jesoa-Kristy, Zanak'Andriamanitra.

2 Araka izay voasoratra ao amin'Izaia mpaminany hoe: Indro aho maniraka ny anjeliko eo alohanao, izay hamboatra ny làlanao; 3 injay misy feo miantso any an-efitra hoe: Amboary ny làlan'ny Tompo, ahitsio ny alehany, 4 dia niseho tany an'efitra Joany Batista nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka. 5 Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, ka nataony batemy tamin'ny onin'i Jordany ireo, rahefa niaiky ny fahotany. 6 Volon-drameva no nitafian'i Joany, fehinkibo hoditra no nanodidina ny valahany, ary valala sy tantely remby no fihinany; ary izao no notoriny: 7 Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany akory aho. 8 Izaho nanao batemy anareo tamin'ny rano, fa izy kosa hanao batemy anareo amin'ny Fanahy Masina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712