Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-10

31 Fa maro amin'izay farany no ho voalohany, ary amin'izay voalohany no ho farany. 32 Ary nony mby teny an-dàlana ho any Jerosalema izy ireo, dia Jesoa no loha làlana, ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana azy. Dia nalainy indray ny roa ambin'ny folo lahy ka nilazany ny hanjo azy:

33 Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak'olona dia hatolotra amin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hohelohina ho faty ka hatolony amin'ny jentily; 34 dia hoesoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin'ny andro fahatelo. 35 Ary nanatona azy Jakoba sy Joany zanak'i Zebede ka nanao hoe: Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao.

36 Inona, hoy izy, no tianareo hataoko aminareo? 37 Dia hoy ireo: Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo an-kavananao, ary anankiray mba ho eo an-kavianao any amin'ny voninahitrao. 38 Ary hoy Jesoa taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va hianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy ahy? 39 Zakanay, hoy ireo taminy. Fa hoy kosa Jesoa: Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; 40 fa raha ny hipetraka ao an-kavanako na ao an-kaviako kosa, dia tsy ahy ny hanome izany, fa ho an'izay nanamboarana azy ihany izany. 41 Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin'i Jakoba sy Joany;

42 fa nantsoin'i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe: Fantatrareo fa amin'ny fanjakan'izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpanapaka manam-pahefana. 43 Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te-ho lehibe indrindra no aoka ho mpanomponareo, 44 ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho andevonareo rehetra. 45 Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0491