Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-10

46 Dia tonga tao Jerikao izy ireo. Ary tamin'izy sy ny mpianany mbamin'ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao, dia nipetraka nangataka teo amoron-dàlana kosa Bartime jamba zanak'i Time.

47 Nony reny fa hoe Jesoa Nazareana izay, dia rafitra niantso izy nanao hoe: Ry Jesoa Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. 48 Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. 49 Dia nijanona Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin'ny olona izy sy nilazany hoe: Matokia! mitsangàna, fa antsoiny hianao. 50 Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an'i Jesoa izy. 51 Inona, hoy Jesoa taminy, no tianao hataoko aminao? Dia hoy ilay jamba: Rabony ô, aoka mba hahiratra aho. 52 Mandehana, hoy Jesoa, fa ny finoanao no nahavonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay izy, ka nanaraka azy teny an-dàlana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127