Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-10

17 Nony nivoaka handeha izy, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany ka nanontany azy hoe: Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?

18 Ary hoy Jesoa taminy: Nahoana no ataonao hoe tsara aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. 19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga; aza mamono olona; aza mangalatra; aza mety ho vavolombelona tsy marina; aza manambaka; manajà ny rainao aman-dreninao. 20 Dia hoy ny navaliny azy: Mpampianatra ô, hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany. 21 Ary nijery azy Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra hianao, ary rahefa izany dia avia hanaraka ahy. 22 Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy, ka niala tamin'alahelo. 23 Ary nijerijery manodidina Jesoa ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Akory ny hasarotry ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 24 Nony gaga tamin'izany teniny izany ny mpianany, dia hoy indray Jesoa taminy: Sarotra, anaka, ny hidiran'izay miankina amin'ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 25 Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vody fanjaitra noho ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 26 Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: Iza ary no mety ho voavonjy? 27 Fa nojeren'i Jesoa izy ka nilazany hoe: Amin'ny olombelona zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin'Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0559