Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-10

17 Nony nivoaka handeha izy, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany ka nanontany azy hoe: Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?

18 Ary hoy Jesoa taminy: Nahoana no ataonao hoe tsara aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. 19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga; aza mamono olona; aza mangalatra; aza mety ho vavolombelona tsy marina; aza manambaka; manajà ny rainao aman-dreninao. 20 Dia hoy ny navaliny azy: Mpampianatra ô, hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany. 21 Ary nijery azy Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra hianao, ary rahefa izany dia avia hanaraka ahy. 22 Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy, ka niala tamin'alahelo. 23 Ary nijerijery manodidina Jesoa ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Akory ny hasarotry ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 24 Nony gaga tamin'izany teniny izany ny mpianany, dia hoy indray Jesoa taminy: Sarotra, anaka, ny hidiran'izay miankina amin'ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 25 Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vody fanjaitra noho ny hidiran'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 26 Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: Iza ary no mety ho voavonjy? 27 Fa nojeren'i Jesoa izy ka nilazany hoe: Amin'ny olombelona zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin'Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra. 28 Ary hoy Piera taminy: Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka anao.

29 Dia hoy ny navalin'i Jesoa azy: Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany ahy sy ny Evanjely, 30 ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin'ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin'ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin'ny ho avy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.115