Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-10

28 Ary hoy Piera taminy: Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka anao.

29 Dia hoy ny navalin'i Jesoa azy: Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany ahy sy ny Evanjely, 30 ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin'ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin'ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin'ny ho avy. 31 Fa maro amin'izay farany no ho voalohany, ary amin'izay voalohany no ho farany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1072