Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-11

1 Nony mby akaiky an'i Jerosalema sy tonga tao Betania anilan'ny tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roalahy tamin'ny mpianany,

2 ary nilaza taminy hoe: Mankanesa amin'itsy vohitra tandrifinareo itsy; raha vao tonga any hianareo, dia hahita zanak'ampondra anankiray mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy ka ento mankaty amiko. 3 Ary raha misy manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? valio hoe: Misy ilàn'ny Tompo azy; dia halefany hoentina atý miaraka amin'izay izy. 4 Dia nandeha izy ireo ka nahita zanak'ampondra mifatotra teo alatrano anilan'ny varavarana, teo an-tsampanan-dàlana, dia novahany. 5 Ary ny sasany tamin'ny olona teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo io zanak'ampondra io? 6 Fa novaliany araka ny nandidian'ny Tompo azy izy ireo, ka namela azy hoentiny. 7 Dia nentiny tany amin'i Jesoa ny zanak'ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, ary nitaingina teo izy. 8 Maro no namelatra ny fitafiany teny amin'ny làlan-kalehany, ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo dia namafy izany teny amin'ny làlana koa. 9 Ary na izay nandeha teo alohany, na izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! 10 Hohasoavina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo; hohasoavina anie ny fanjakan'i Davida raintsika izay efa tonga izao; hosana any amin'ny avo indrindra. 11 Dia niditra tao Jerosalema izy namantana tao amin'ny tempoly, ka nony avy nijerijery ny zavatra rehetra dia nankany Betania nomban'ny roa ambin'ny folo lahy, fa efa hariva rahateo ny andro. 12 Nony ampitso, raha niala tany Betania izy, dia noana,

13 ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan'ny aviavy tamin'izay. 14 Dia hoy izy tamin'ny aviavy: Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay; ary ren'ny mpianany izany. 15 Dia tonga tany Jerosalema izy ireo, ka nony niditra tao amin'ny tempoly Jesoa, dia nandroaka izay nivarotra sy nividy tao, ary nanjera ny latabatry ny mpampisambo-bola sy ny fipetrahan'ny mpivaro-boromailala,

16 ary tsy navelany hisy olona mitondra entana hamaky ny tempoly, 17 sady nampianatra izy, nanao hoe: Moa tsy voasoratra hoe: Ny tranoko dia hatao trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? fa hianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy. 18 Nony nahare izany ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nitady izay hahafaty azy; saingy natahotra azy izy ireo satria nigagan'ny vahoaka rehetra ny fampianarany. 19 Nony hariva ny andro dia niala tao an-tanàna izy. 20 Ary ny ampitso maraina raha nandalo izy ireo, dia hitan'ny mpianany fa maina hatramin'ny fakany ilay aviavy.

21 Dia nahatsiahy Piera ka nanao taminy hoe: Raby ô, he! maina ilay aviavy nozoninao. 22 Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Manàna finoana an'Andriamanitra. 23 Fa lazaiko marina aminareo fa na zovy na zovy hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mialà hianao eo, ka mianjerà any an-dranomasina, raha mino tsy amim-pisalasalana ao an-pony izy, fa ho tanteraka izay lazainy, dia ho hitany ny fahatanterahan'izany. 24 Koa amin'izany lazaiko marina aminareo, fa na inona na inona angatahinareo amin'ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa izany. 25 Ary raha mitsangana hivavaka hianareo ka sendra manana alahelo amin'olona, dia mamelà azy, mba hamelan'ny Rainareo any an-danitra ny helokareo koa. 26 Fa raha tsy mamela hianareo, dia tsy havelan'ny Rainareo any an-danitra koa ny helokareo. 27 Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo. Ary raha niasa dia teo anatin'ny tempoly Jesoa, dia nanatona azy ny lohandohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna ary ny loholona,

28 ka nilaza taminy hoe: Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome fahefana anao hanao izany? 29 Dia hoy Jesoa taminy: Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry hianareo, ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. 30 Avy aiza ny batemin'i Joany, avy any an-danitra sa avy amin'ny olona? Valio aho. 31 Dia nieritreritra izy ireo, ka nanao hoe: Raha valiantsika hoe avy any an-danitra mantsy, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo? 32 Ary raha ataontsika hoe avy amin'ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon'izy rehetra ho mpaminany marina tokoa Joany. 33 Dia izao no navaliny an'i Jesoa: Tsy fantatray. Ary izaho kosa, hoy Jesoa taminy, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1116