Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-11

11 Dia niditra tao Jerosalema izy namantana tao amin'ny tempoly, ka nony avy nijerijery ny zavatra rehetra dia nankany Betania nomban'ny roa ambin'ny folo lahy, fa efa hariva rahateo ny andro. 12 Nony ampitso, raha niala tany Betania izy, dia noana,

13 ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan'ny aviavy tamin'izay. 14 Dia hoy izy tamin'ny aviavy: Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay; ary ren'ny mpianany izany. 15 Dia tonga tany Jerosalema izy ireo, ka nony niditra tao amin'ny tempoly Jesoa, dia nandroaka izay nivarotra sy nividy tao, ary nanjera ny latabatry ny mpampisambo-bola sy ny fipetrahan'ny mpivaro-boromailala,

16 ary tsy navelany hisy olona mitondra entana hamaky ny tempoly, 17 sady nampianatra izy, nanao hoe: Moa tsy voasoratra hoe: Ny tranoko dia hatao trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? fa hianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy. 18 Nony nahare izany ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nitady izay hahafaty azy; saingy natahotra azy izy ireo satria nigagan'ny vahoaka rehetra ny fampianarany. 19 Nony hariva ny andro dia niala tao an-tanàna izy. 20 Ary ny ampitso maraina raha nandalo izy ireo, dia hitan'ny mpianany fa maina hatramin'ny fakany ilay aviavy.

21 Dia nahatsiahy Piera ka nanao taminy hoe: Raby ô, he! maina ilay aviavy nozoninao. 22 Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Manàna finoana an'Andriamanitra. 23 Fa lazaiko marina aminareo fa na zovy na zovy hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mialà hianao eo, ka mianjerà any an-dranomasina, raha mino tsy amim-pisalasalana ao an-pony izy, fa ho tanteraka izay lazainy, dia ho hitany ny fahatanterahan'izany. 24 Koa amin'izany lazaiko marina aminareo, fa na inona na inona angatahinareo amin'ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa izany. 25 Ary raha mitsangana hivavaka hianareo ka sendra manana alahelo amin'olona, dia mamelà azy, mba hamelan'ny Rainareo any an-danitra ny helokareo koa. 26 Fa raha tsy mamela hianareo, dia tsy havelan'ny Rainareo any an-danitra koa ny helokareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.128