Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-11

1 Nony mby akaiky an'i Jerosalema sy tonga tao Betania anilan'ny tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roalahy tamin'ny mpianany,

2 ary nilaza taminy hoe: Mankanesa amin'itsy vohitra tandrifinareo itsy; raha vao tonga any hianareo, dia hahita zanak'ampondra anankiray mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy ka ento mankaty amiko. 3 Ary raha misy manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? valio hoe: Misy ilàn'ny Tompo azy; dia halefany hoentina atý miaraka amin'izay izy. 4 Dia nandeha izy ireo ka nahita zanak'ampondra mifatotra teo alatrano anilan'ny varavarana, teo an-tsampanan-dàlana, dia novahany. 5 Ary ny sasany tamin'ny olona teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo io zanak'ampondra io? 6 Fa novaliany araka ny nandidian'ny Tompo azy izy ireo, ka namela azy hoentiny. 7 Dia nentiny tany amin'i Jesoa ny zanak'ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, ary nitaingina teo izy. 8 Maro no namelatra ny fitafiany teny amin'ny làlan-kalehany, ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo dia namafy izany teny amin'ny làlana koa. 9 Ary na izay nandeha teo alohany, na izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! 10 Hohasoavina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo; hohasoavina anie ny fanjakan'i Davida raintsika izay efa tonga izao; hosana any amin'ny avo indrindra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0842