Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-11

27 Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo. Ary raha niasa dia teo anatin'ny tempoly Jesoa, dia nanatona azy ny lohandohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna ary ny loholona,

28 ka nilaza taminy hoe: Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome fahefana anao hanao izany? 29 Dia hoy Jesoa taminy: Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry hianareo, ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. 30 Avy aiza ny batemin'i Joany, avy any an-danitra sa avy amin'ny olona? Valio aho. 31 Dia nieritreritra izy ireo, ka nanao hoe: Raha valiantsika hoe avy any an-danitra mantsy, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo? 32 Ary raha ataontsika hoe avy amin'ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon'izy rehetra ho mpaminany marina tokoa Joany. 33 Dia izao no navaliny an'i Jesoa: Tsy fantatray. Ary izaho kosa, hoy Jesoa taminy, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0842